Ladoany Malagasy

Nampiditra 2000 miliara Ar tao anatin’ny 7 volana


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

2 093,1 miliara ariary ny fampidiram-bolan’ny fadin-tseranana Malagasy tao anatin’ny 7 volana

voalohan’ity taona ity, izay nisy fitomboana 150,1 miliara ariary raha oharina amin'ny taona lasa tamin'ny fotoana mitovy, raha ny tatitra. Teo amin’ny 1 943,0 miliara Ariary mantsy izany ho an’ny taona 2023. Mikasika ny fanafarana, misanda 11 835,2 miliara ariary na 2 648,3 tapitrisa dolara amerikana, ao anatin'izany ny asa ataon'ny orinasa afaka haba sy ny asa hafa tsy misy hetra. Nisy fihenana izany raha oharina amin'ny fotoana mitovy tamin'ny taona 2023, izay nahatratra 12 337,8 miliara ariary ny fanafarana na 2 819,5 tapitrisa dolara amerikana, araka ny tatitry ny ladoany Malagasy hatrany. Tsara ho marihina ihany koa fa 156,3 miliara ariary amin'ny hetra sy ny sara amin'ny fanafarana no nesorina tamin'ny alàlan'ny toromarika avy amin'ny Conseil nandritra ny fito volana voalohan'ny taona 2024. Na misy aza anefa ny endrika miabo amin’ny fampidiram-bola avy amin’ny fanondranana, dia mbola ambany ny fifandanjana eo amin’ny fanondranana mitaha amin’ny fanafarana ho antsika, ka antony iray isan’ny mbola maha mavain-danja sy mampitotongana ny vola ariary.

Isan’ny vokatra fanondrana mampiavaka an’i Madagasikara ny lavanila, ka raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fampiroboroboana sy ny indostria sy ny varotra dia teo amin’ny 4400 ny fanondranantsika ho an’ity taom-panondranana ity, izay niakatra avo roa heny amin’ny tamin’ny taon-dasa izay 2000 hatramin’ny 2500 taonina teo.

Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT