Lasan’i Tendry ny tapakila hihazo ilay toeram-pialamboly malaza eran-tany Disneyland any Parisy Frantsa
miampy fivahinianana herinandro any an-toerana. Izay no vokatr’ilay fifaninanan-kira “La Voix d’Or” nokarakarain’ny Televiziona VIVA. Andiany voalohany izy ity, ka ny alin’ny 25 desambra, nankalazana Noely 2016 no nanatanterahana ny famaranana tao amin’ny Viva Arena Ivandry. Niisa 500 ka 6-14 taona ireo mpifaninana teo am-piandohana ary enina mirahavavy izy ireo no tody tamin’io famaranana io. Nandalo sedra telo vao fantatra ny mpandresy, ka i Tendry no naharesy lahatra an’i Anyah, Deenyz ary Jaojoby, nitsara ny fifaninanana. Nanolotra ny loka ho azy Rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filohan’ny tetezamita. Ny rain’i Tendry koa no nosafidiany hiaraka aminy mandritra io fivahinianany any Frantsa io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.