Actualités

La Réunion - Lalaon’ny Nosy Sosotra tamin’ny nanesorana ny taingin-tsoavaly


  • Alarobia 24 Mey 2023

Mampimenomenona ireo firenena mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy ny tsy fahamatoran’ny mpitantana eto Madagasikara miseho amin’ny endriny maro,

ka anisany ny fanafoanana taranja maro, izay 11 izany ireo nesorina raha ny isa ofisialy. 17 ireo taranja voatazona ilalaovana. Anisan’ireo foana ny taingin-tsoavaly na “Equitation”, kanefa nilaza ho efa niomana fatratra ny mpifaninana avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Nanao fanambarana ny komitim-paritra misahana io taranja io ao an-toerana fa tampoka ary tsy nampoizin’ireo ny fanaisorana izany, kanefa efa nisy tao anatin’ny taona maro, ary efa tao anatin’ireo nifaninanana nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara ny taona 2007, tao anatin’ny fanatanjantena ara-pampisehoana. Tafiditra ho isan’ny fifaninana, ary nirehareha izahay tamin’ny fankatoavana sy ny fahafaha-nampiditra azy tao anatin’ny fanatanjahantenantsika, hoy izy ireo. Aty amin’ny 3 volana tsy hanombohan’ny fifaninana anefa, taorian’ny fisafidianana sy ny fanomananay ny atleta (fampivondronana in-droa, ary nisy olona nafarana avy any ivelany), ny fandrafetana ireo staff,… dia nalahelo izahay noho ny zavatra renay momba io taranja io, hoy hatrany ny avy atsy La Réunion. Tsy resahina intsony ny fivoriana fanomanana maro, niarahana tamin’ny rafitra samihafa, niarahana tamin’ireo mpikarakaraka mahefa avy amin’ny firenena maro nandrafetana ny fitsipi-dalao, fanofanana ofisialy,… tena nandany hery sy fotoana sy vola kanefa dia nofoanana tsy misy fampahantarana. Betsaka ny zavatra tsy tomombana amin’ny fikarakarana io lalao io, ka enga anie mba ho ireny ny vaovao ratsy farany mba hivoahan’ny fanatanjahantena ho mpandresy, hoy ny namaranana azy izay mifono fampisaintsainana sy kiana. Asa mba efa norefesin’ny mpitondra Malagasy ve hoe: mety hatraiza ny akon’ny fanapahan-kevitra sadasada vokatry ny fanomanana petatoko sy ny tsy fahaiza-manao? Ny Malagasy no mety efa zatra sy tsy gaga intsony fa ny vahiny mety mamerina an’ilay hoe: “sans qualité”! Mbola vitan’ny fanaboriboriana resaka hoe: tsy ny habetsaky ny taranja hifaninanana no zava-dehibe fa vokatra tsara azo?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT