Miaina amin’ny trano tsy zarizary ireo olona mihoatra ny 3.000 isa monina etsy amin’ny tanànan’i La Réunion kely Ampefiloha, Fokontany Manarintsoa.
Tsy ampy roa metatra isam-pianakaviana mantsy ny toerana hanorenan’izy ireo ny tranony, trano izay marihina fa mbola vita amin’ny sachet plastika ihany koa. Ankoatra izay raha araka ny fanazavan’i Mama Jeannine, Renim-pianakaviana iray efa nonina fito taona teny an-toerana dia tsy manana trano fivoahana ihany koa izy ireo fa amin’iny rano mandeha manoloana azy iny no manary maloto raha eo amin’ny paompy kosa no maka rano fisotro madio. Io rano mandeha io anefa eo an-danin’izay no hanasan’ireo mponin’i La Réunion kely lamba sy ireo karazana kojakoja hamidiny hahafahany mivelona. Ho an’i Mama Jeannine manokana dia noho izy efa maty vady no antony nanosika azy hipetraka sy honina eny La Réunion kely raha any Ambatolampy no tanindrazana. Dimy no zaza naterany teny amin’ity Tanana iray ity. Varotra hani-masaka toy ny lasopy no namelomany ireo ankohonany hatramin’izay handaniany 2500 Ar isan’andro eo ho eo ka rehefa tsy mahalafo izy dia iny lasopy iny ihany no hihinanan’izy mianakavy mandrapaharivan’ny andro. Mikasika ny aretina Pesta moa dia nanambara izy ireo fa efa fantany ny fisian’izany saingy mivavaka izy ireo mba tsy tonga eny La Réunion kely ity areti-mandoza iray ity. Nankalazaina omaly tany Ankadinondry Sakay ny andro maneran-tany ho an’ny trano fonenana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.