Actualités

Krizy miverimberina eto Madagasikara Hiadian-kevitra mandritra ny 3 andro


  • Talata 17 Jona 2014

Inona ireo antony mampiverimberina ny krizy politika eto Madagasikara ? Inona ireo vahaolana azo trandrahana hanafoanana izany ?

Ireo no ampahany amin’ireo fanontaniana hikaroham-baliny mandritra ny fikaonan-doha izay tanterahana etsy amin’ny Carlton Anosy nanomboka omaly. Mpandinika sy manampahaizana Malagasy manodidina ny 50 avy amin’ny sehatra samihafa toy ny mpampianatra avy amin’ny anjerimanontolo, tompon’andraikitry avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, mpanao gazety no hiresaka sy hitafa ka hamoaka soso-kevitra aorian’ny 3 andro hifaranan’ny atrikasa. Efa nisy ny dingana fanangonan-kevitr’ireo olom-pirenena, lasibatry ny krizy nataon’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Liberty 32 niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avy amin’ny ATW tamin’ny faritra 6 eto Madagasikara dia Analamanga, Atsimo Atsinanana, Menabe, DIANA, Matsiatra Ambony ary Atsinanana. Heverina moa fa hanampy betsaka ireo mpitondra sy mpiantsehatra misahana ny fampandrosoana amin’ny lalan-kodiavina ireo vokatry ny fanadihadiana efa vita sy ireo fakan-kevitra hivoaka ny alarobia 18 jona 2014 izao. Ny «Institut d’études politiques de Madagascar» no mikarakara ny hetsika izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Liberty 32, ny ATW Consultants ary ny Centre de Presse Malagasy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT