Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tsy olona fa toetsaina sy lalàmpanorenana no mila ovaina eto!»


  • Zoma 31 Janoary 2025

Tsy olona fa toetsaina sy lalàmpanorenana no mila ovaina eto, hoy ny Kristianina mandinika

raharaham-pirenena, Ralaiarimanana! Vinavina mandeha moa izao, hoy izy, ny fanovàna governemanta. Na im-polo hanova izany aza nefa isika dia tsy handroso mihitsy rehefa tsy miova ny toetsaina. Olona tena vonon-kiasa, hampanjaka ny fahamarinana ary hanaraka marina ny zava-misy sy hamaha ny tena filàn’ny vahoaka no takian’izany. Izany no tokony hameno ny governemanta eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Niezaka nanome 100 andro hatramin’izay ny filoham-pirenena. Tsy hita anefa hoe nanao ahoana ny fitsaràna ireny olona ireny? Tsy nitondra fahombiazana akory anefa ilay fanovàna olona matetika. Manapatra fahefàna amin’ny madinika no tsikaritra matetika ataon’ireo mahazo fahefàna eto amin’ny firenena na amin’ny manodidina azy ary lasa tsinontsinona ny manodidina. Tsy mitondra vokatsoa nefa izany rehetra izany. Miandry ny fandinihan-tenan’ireo mpitondra sy ny fanetren-tenany fa raha izay marina no misy dia handroso tokoa ity Madagasikara ity. Iarahantsika mahalala fa dika mitovy amin’ny lalàmpanorenana vahiny ny lalàmpanorenantsika. Mbola avy amin’ny frantsay io. Tokony hanana ny lalàmpanorenana tena maha isika antsika isika. Tokony hisy ny fikaonandoha sy adihevitra iraisan’ny herivelona rehetra hamolavolàna hoe ahoana no tena tokony hitantanantsika an’ity Madagasikara ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT