Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Revirevy sy fampifalifaliana sisa no asa omena ny tanora eto»


  • Talata 02 Jolay 2024

Ny vahoaka no tompon’ny fahefana, masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny firenena,

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Mety mitarika zavatra maro, hoy izy, io fanaovana tsinontsinona vahoaka madinika io. Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany rehefa feno. Manaraka tsara izany atao hoe politika izany ny vahoaka ankehitriny. Mijery tsara izy hoe iza marina no tena miaro ity firenena ity? Mandinika tsara ny vahoaka amin’izao fa tsy azo vidiam-bola intsony! Atahotana ihany ny zavatra mety hiseho eto Madagasikara raha voakitikitika ny safidiny. Tsy voatana mihitsy ny herim-bahoaka rehefa mitroatra. Tsara mijery sy mandalina tsara ny rariny sy hitsiny mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara ihany na ny CENI na ny fitondram-panjakana, indrindra, ny HCC. Izy no mandidy sy manapaka fa izy koa nefa no hifatraran’ny rihitra raha sanatria tsy araka ny tokony ho izy ny fitsaràna nataony. Ohatran’ny karazana sinema entina hampitoniana vahoaka ny fandroritana ny raharaha sasany tahaka izay niseho tao Faratsiho. Fomba fiady efa mahazatra toy ilay hoe «Azo raisina fa tsy mitombina!» ihany ilay hoe «Misy porofo fa tsy maharesy lahatra!». Ny vahoaka no mahalala hoe ity no tena lany teto aminay. Izay no ilazako hoe mila mandinika tsara fa tsy mitady afa-tsy ny fahamarinana ny vahoaka! Izay ihany! Mikasika ny fiainam-pirenena ankapobeny moa dia tsy mahagaga izany hoe 68,5%n’ny tanora latsaky ny 24 taona izany no lasa tsy an’asa satria tsy nisy fampananan’asa loatra teto fa variana loatra tany amin’ny resaka politika isika. Adino ny nijery ny tena sosialim-bahoaka sy ny lafiny indostria. Ny tsy fahatongavan’ny mpamatsy vola na ireo mpampiasa vola, izay na ny sasany efa teto aza nitsoaka, noho ny resaka tsy fandriampahalemana, ny jiro tsy mandeha, ny telefaonina tapaka, hoy ilay hira taloha dia efa mahatonga ny tanora tsy an’asa be dia be amin’izao fotoana izany rehetra izany. Miha krizy isika satria tsy misy afa-tsy revirevy sy fampifalifaliana sisa no asa omena ny tanora eto. Mampirevy dia mampifalifaly vahoaka! Izaho manokana dia mampirisika ny tanora hoe mamorona asa! Aza miantehitra amin’ny fanjakana izany fa mamorona ho anao na kely aza am-pelan-tananao. Na hamboly ianao na hiompy dia mety foana rehefa vonona ianao. Tsy afa-miteny loatra eto Madagasikara ny diplaoma dia izay angamba no lasa mampitsoaka ny tanora eto any Kanada na Frantsa na Etazonia na Alemanina sy ny tariny rehetra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT