Kristianina mandinika raharaham-pirenena

Nampahatsiahy ireo vahaolana tsy noraisin’ny fitondràna


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Nampahatsiahy ireo olana sy vahaolana tsy noraisin’ny

fitondràm-panjakàna ankehitriny omaly ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiharimanana. Isan’ny olana tsy mampandroso antsika malagasy ihany koa, hoy izy, ny hakamoana. Tsy afaka hamokatra na oviana ny olona kamo. Eo koa ny tsy fananana asa. Betsaka ireo tanora manam-pahaizana nefa tsy afa-mamokatra orinasa eto. Tsy afaka hisambo-bola koa nefa satria iaraha-mahalala ny fahasarotana manao izany eto. Eo ny tsy fandriampahalemana. Tsy afa-mamokatra ny olona rehefa tsy mandry ny tany. Kivy ireo tantsaha rehefa misy mangalatra ny voliny ary ireo antenainy ho hitsikitsika ivavahana indray aza no toa vao mainka mambotry azy? Tsy fisiana fotodrafitrasa marina eto amin’ny firenena koa eo. Matetika tsy miantraika amin’ny vahoaka ny fisian’izany. Lasa rendrarendra sy werawera fotsiny. Tototra ny tanimbary tena niveloman’izy ireo noho ny resaka fanorenana fotodrafitrasa tsy mahasoa akory. Rehefa tsy afa-mamokatra intsony ireny tantsaha ireny dia lasa mangalatra satria ny kibo tsy mba lamosina. Olona mba nanana ny naha izy azy sy trano kely nonenana fa noho ny resaka fotodrafitrasa ihany dia narodana ny tranony. Lasa 4-mi ilay olona avy eo. Miteraka tsy fampandrosoana izany rehetra izany ka ny vahaolana efa naroso dia ny hoe ilaina hatrany ny miheritreritra sy mandinika izay rehetra atao. Olona ravanao trano tokony mba efa nanomananao trano hivantanany ho azy. Raha mpamboly izy dia tokony efa nomanina mialoha koa ny tany. Trano sy tany tokony ho tsara noho ny nisy azy taloha no omena azy avy eo. Izany rahateo ny toetsaina Kristianina. Izay ataonao amin’ireny madinika ireny no ho valian’Andriamanitra be dia be. Ho an’ireo izay rehetra mbola hitondra dia tokony hijery hatrany hoe manao ahoana marina ny sosialim-bahoaka eto amin’ity firenentsika ity? Milaza hanasoa azy io foana izay nifandimby nitondra nefa ny hita dia malagasy miha mahantra sy farahidiny hatrany. Matoa mandroso ny firenena iray dia tena nahalala ny filàna fototra nilain’ny vahoaka tao amin’izay ny mpitondra azy. Isany ny lafiny indostria. Isan’ny hahafahana mamokatra izany. Toy izany koa ny fananan-tany. Rehefa afa-mamokatra tsara ny vahoaka dia manana ambim-bava hahatonga ho lasa firenena matanjaka. Fahatelo ny fikarakaràna ny lafiny herinaratra sy rano. Tsy misy afa-mamokatra anaty haizina izany. Rehefa tsy milamina ny herinaratra dia ireny tonga hatramin’ny fahapoizinana ara-tsakafo ireny. Aina ny rano. Tsy hahasalama ny olona ny tsy fisian-drano. Mila mahazo rano 1,5 litatra fara faha keliny isan’andro ny vatan’olombelona iray. Rehefa tomombana izany filàm-bahoaka rehetra izany dia afaka mamokatra sy mampiana-janaka ara-dalàna izy. Manana trano honenana, afaka mitsabo ny sanatria tsy salama, miaina ara-dalàna. Raha midina any amin’ny tontolo ambanivohitra ianao, indrindra, amin’izao fotoana izao dia efa zary misakafo in-dray mandeha isan’andro sisa ny ankamaroan’ny olona. Mila fampandrosoana haingana izao ny vahoaka. Fotoana fikarakaràna tanimbary izao. Raha tena te hanampy ny tantsaha marina ianao dia efa tokony ho tonga ny zezika. Ahoana ny hampidinana ny vidin-jezika ho zakan’ny tantsaha mpamokatra? Ahoana ny fikarakaràna ny masomboly? Ny mampiomehy eto amintsika dia hoe efa maniry ny varinao eny an-tanimbary, hiakatra ny vokatrao, izay vao tonga ny zezika. Atao inona intsony moa ilay zezika sy masomboly amin’izay fotoana izay? Efa tsy misy ilàna izany intsony vao midodododo ireny tekinisianina ireny. Mila mpanolontsaina mahay, olona tena mahatsapa izany isika. Sarotra eto ny mamorona asa ho an’ny tanora satria manahirana ny fikarakaràna taratasy sy findramam-bola amin’ny banky, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT