Kristianina manao politika

«Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay»


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Averiko ombieny, hoy ny filohan’izy ireo, Eliace Ralaiarimanana, fa tamin’ny 20 janoary no tapitra ny fe-potoam-piasan’io fitondrana io. Aminay dia tsy misy fositra na voa ratsy afa-tsy Rajoelina eto amin’ity firenena ity. Rajoelina ihany no mila esorina miala eo. Tsy misy hoe afaka 5 taona io fa efa nomen’Andriamanitra ahy ny daty, hoy ihany ny filohan’ity antoko ity. Tsy ho teneniko ohatran’ireny tany aloha ireny intsony ilay daty tsy hoe diso akory ireo daty voalaza tany aloha fa averiko ihany hoe mpanao amboletra izy dia izao iaraha-mahita izao ny mahazo ny mpanao amboletra. Notapahan’ny avy any ivelany ny famatsiam-bola nefa tsy misy afa-tsy mangataka no hain’io. Eliace Ralaiarimanana ilay zanak’Israely natositosika ka fahafatesana no niafaran’ny ejiptiana rehefa nanositosika ny zanak’Israely. Niara-maty ny miaramilan’i Ejipta. Zakanay izany mitondra firenena izany. Anananay ny fahalalana entina manatanteraka izany. Manamafy koa ny tenin’Andriamanitra hoe hain’ny mino ny zavatra rehetra. Tsy ny tetezamita no ratsy fa ny nitondra ny tetezamita tamin’izany fotoana izany. Tsy maintsy miditra tetezamita ny firenena malagasy ato ho ato, hoy hatrany ny Kristianina manao politika, na iza faly na iza tsy faly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT