Nanatanteraka ny atao hoe « e-bilan » ny komity mpandrindran` ny tolotra vaovao ao amin’ny sehatra e-Hetra. Marihana fa ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MFB) no mitarika izany,
ary ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foibem-pitondrana Ankapobeny ny Hetra, ny Filan-kevitra ambony momba ny fitantanana kaonty (CSC), ny holafitr’ireo mpitantan-kaonty (OECFM), ny Banky Foiben'i Madagasikara, ny GBCI Pnud ary IKA Conseil no mandrafitra azy. Tontosa, araka izany, ny fivoriana voalohan' ny komity mpandrindra. Marihana fa ny « e-bilan » dia fitaovana iray napetraky ny MFB entina hiadina amin'ny kolikoly eo amin' ny sehatry ny fanaovana kaonty sy ny tatitra. Tanjona moa ny tsy mba ho samihafa na koa hiovaova ny tatitra ampiasaina arakarakara ny ilana azy, eny amin'ny ivon' ny hetra sy orinasa ary tsena-barom-panjakana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.