Actualités

Kolontsain’ny fandrobana


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Manomboka mitsikafona tsikelikely ankehitriny ny afera maizina sy fanodikodinam-bola nataon’ireo mpitondra tetezamita, taorian’ny raharaha mahakasika ny ministeran’ny angovo ka nahavoarohirohy minisitra teo aloha sy mpiara-miasa aminy maro,

dia fantatra indray izao fa hadihadiana momba ny raharaha kolikoly ny minisitra iray sy mpandrahataha maromaro momba ireo traktera novidian’ny fitondrana Ravalomanana. Tsy araka ny tokony ho izy mantsy ny namarotana ireto traktera nihitsoka tao Toamasina sy notahirizina teny Iavoloha ireto nandritra ny fitondrana tetezamita, koa dia voaantso mba hadihadiana ny tompon’andraikitra tamin’izany. Fa mba mampametra-panontaniana ihany koa ankehitriny ny momba ireo fiara marobe tokony hampiasaina nandritra ny fihaonana an-tampon’ny vondrona Afrikanina teto amintsika kanefa dia nalain’ny fitondrana tetezamita ary nisy mihitsy ny manampahefana tamin’izany fotoana no naka ho fananany manokana ireny fiara toyota Yaris sy Ford Mondeo ireny. Efa mba misy ve ny fanadihadiana natao tamin’izy ireny ? Fa eo ihany koa ny fandrobana ny fananan’olona tamin’ireny 2009 ireny, izay na inona na inona mety ho antony dia efa halatra aloha no anarany. Olon’ny tetezamita maromaro ihany no voatonona tao anatin’ny fangalarana ny entan’ny Tiko tao Toamasina sy teto Antananarivo, misy amin’izy ireo no mbola ao anatin’ny fitondrana ankehitriny. Ahoana marina ny momba azy ireny ? Lasa kolontsaina eto Madagasikara nanomboka tamin’ny 2009 ny fandrobana sy ny gaboraraka, ka tsy atao mahagaga raha sarotra alamina ilay firenena satria ny saina mihitsy no efa taizan’aretina eto. Ny mpitondra rahateo moa manondrana koa dia …mikatso ny zava-drehetra e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT