Maro ireo olona nety ho nanana fikasana hivoaka an’Antananarivo omaly alatsinain’ny paska.
Tsy maintsy nandrasaina fepetra manokana, ka nametrahana zandary hisakana sy hampahatsiahy fa tsy mety ny mivezivezy, hoy Kolonely Ravoavy Zafisambatra, Talen’ny filaminana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena omaly. Nasiana zandary hiambina hatrany amin’ny morontsiraka mba hisorohana an’izay. Afaka mivezivezy kosa ny fiara mitatitra sakafo sy PPN, saingy nisy ihany ny nanaraotra, hoy izy. Misy ny manararaotra amin’ny fanafihana ihany koa, ka mandray fepetra mifandraika amin’izany ny zandarimaria. Misy ny halatra omby any Atsimo, izay marina fa ilaina hamatsiana amin’izao fihibohana izao ny omby, fa tsy amin’ny alalan’ny halatra kosa, hoy izy. Misy ny mpampiasa làlana mbola manararaotra, toy ny kodiaran-droa (Moto) na fiara, ka 5 ny loza voaray ny atoandro, ary ny roa tamin’ireo dia namoizana ain’olona, raha ny fanazavan’io manamboninahitra io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.