Vita ny fanadihadiana mikasika ilay manamboninahitra ambony kolonely izay naiditra am-ponja noho izy voampanga ho namatsy fitaovam-piadiana jiolahy tany Maevatanana
. Somary nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro ihany hoe fa maninona no afenina ny momba ity manamboninahitra ity kanefa raha olona tsotra no manao heloka toy ny azy dia avoaka an-karihary. Mivaly ankehitriny ny fanontaniana satria dia fantatra ankehitriny fa tsy ho afaka nanao irery ity asa famatsiana fitaovam-piadiana jiolahy ity io manamboninahitra io raha tsy nisy mpiray tsikombakomba taminy. Efa fantampantatra ihany ireo izay mety mpiray petsapetsa amin’ity raharaha ity. Ny andrasana dia ny hahasahian’ny tompon’andraikitra voakasika hanokatra fanadihadiana any amin’ny sampan’asa tsirairay any anivon’ny tafika any satria mazava ankehitriny fa hiitatra be ity raharaha ity. Tsy vao izao rahateo no nisy mpitandro filaminana tafiditra amin’ny raharaha toy izao ka mba tian’ny vahoaka tsy mandady harona hofantarina ny tena fiafaran’ny fanadihadiana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.