Kolikoly sy fandripahana harem-pirenena…

Nidoboka am-ponja ny governoran’i Betsiboka


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Nidoboka vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy 9 desambra ny Governoran’ny Faritra Betsiboka

Atoa Jean Roger Randrianjafinindriana sy ny PRMP na ny tompon’andraikitra ny tsenambaro-panjakana ao amin'ny faritra Betsiboka... Fanaovana kolikoly, fanararaotam- pahefana ary fampiasana fitaovam-panjakana ho an'ny tombontsoa manokana no vesatra hiampangana azy. Voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin'ireo sinoa 10 tratra nitrandraka volamena antsokosoko tao amin’ny reniranon’i Marokoro ity Governoran'i Betsiboka. Fitaovan'ny faritra Betsiboka ny « Engins » no voalaza fa nampiasain’ireo sinoa tamin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena Malagasy, ary nambenana zandary mihitsy ry zareo, raha ny vaovao vonjimaika. Ny Governora mihitsy no voarohirohy ho nampanofa ho azy manokana ny fitaovana, ny mpamilin-dRagôva ihany koa no nikarama nitondra ilay "engin" ary nanampy azy mpiasan'ingahy governora iray, ka vola 2 tapitrisa ariary isam-bolana no karaman'ny tsirairay amin'izy roalahy tamin'ity asa ity, hoy ny tatitra. Voalaza moa, fa efa tsy dia azo nitokisana intsony ireo mpitandro filaminana tany an- toerana fa misy ny ny niray tsikombakomba tamin'ity fitrandrahana volamena antsokosoko ity, ka ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany na « police des mines » no niditra an-tsehatra nanao ny fanatrarana. Anisan’ny nitsikombakomba ny kaomandin'ny CIRGN ao Mahajanga matoa nisy zandary mihitsy niambina ireo sinoa ireo tamin'ny asa antsokosoko nataon'izy ireo ? Tsy vao sambany ihany koa no nakatona ny toeram-pitrandrahana tsy ara-dalàna tao Marokoro saingy miverina hatrany ireo sinoa, izay manamafy ny ahiahy fa misy manam-pahefana ambony miaro.
VOLA TSY NIDITRA TAMIN’NY KITAPOMBOLAM-PANJAKANA
Misy ihany koa ny vaovao nilaza fa nahazo rosia tamin'ny nandoavany vola tamin'ingahy Governora ireo sinoa, saingy rehefa nohamarinina dia tsy nisoratra tao amin'ny kitapom- bolan'ny faritra akory izany vola izany. Ingahy Governoran'i betsiboka anefa dia voalazan'ireo sinoa fa mbola nomen'izy ireo vola hafa ankoatran'io nahazoan'izy ireo rosia io, hoy hatrany ny tatitry ny fampahalalam-baovao ny faran’ herinandro teo. Misy ny fanamarihana milaza, fa efa malaza ratsy hatramin'izay ity Governora ao betsiboka ity, saingy nialokaloka amin’ny maha manam-pahefana, ka tao anatin’izao fitantanana miendrika tetezamita no nanaovan’ny olona fitarainana, ka izao tsy afa-niala izao. Mbola tsy misy anefa ny fanamelohana ara-pitsarana ka andrasana ny tohiny. Misy ihany koa ny manatsikafona fa ny tale iray tao amin'io Governorat io ilay efa tratra nivarotra vy antsokosoko an'ny Kraomita saingy toa vitavita ho azy ny raharaha ? Efa eo am-pelanantan’ny Fitsarana momba ny koliloly na ny ny PAC ity raharaha mikasika ny governoran’i Betsiboka ity, ary manohy ny fanadihadiana ihany koa ny Polisy ara-toekarana ka dia ho hita eo ny tohiny. Endrika iray maneho moa, fa toa zary fialokalofan’ny mafia ny fitondrana volomboasary hany ka ny hitsikitsika natao hivavahana indray ity no mipaoka ny zanak’akoho.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT