Manasa ny olom-pirenena ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ankehitriny mba hitory eny anivon’ity minisitera ity raha misy olona mampanantena vola be hahazoana mitrandraka ala sy mamoaka hazo sarobidy na manao kolikoly momba izany.
Misy ny rafitra manokana napetraka hiadiana izany eo anivon’ity minisitera ity dia ULC na ny “Unité de lutte contre la corruption” izany. Raha ny fanazavana hatrany dia natao hiadiana amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny tontolo iainana sy harena voajanahary ity ezaka fametrahana haitondra vaovao ity. Misy, mazava ho azy, ny laharan-telefaonina manokana natao ahazoana ity rafitra ity fa azo atao koa anefa ny mandefa izany fitoriana izany amin’ny alalan’ny mailaka manokana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.