Kolikoly mandetika Firenena

Ampangain’ny zava-misy hatrany ny mpitondra…


  • Talata 20 Aogositra 2024

Tsy nahomby ny paikadim-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly na ny SNLCC (Stratégie Nationale de Lutte contre la Corruption) 2015-2025,

araka ny tatitra ofisialy nivoaka andro vitsy lasa izay. Nahafahana nilaza fa mbola tena mbola ambony dia ambony ny haavon'ny kolikoly eto Madagasikara, ary tsy nisy fiantraikany lehibe tamin'ny laharana iraisam-pirenena momba ny fandraisana ny kolikoly sy ireo mari-pamantarana hafa nasionaly, rejionaly, ary iraisam-pirenena ireo fepetra izay noraisina tao anatin'ny SNLCC. Miharihary ihany koa fa mbola kobaka am-bava no betsaka, raha raisina amin’ny firesaky ny mpitondra miainga any an-tampony satria ny fitantanam-bolam-panjakana sy rafi-panjakana no tena lohalaharana amin’ny kolikoly. Tsara moa ny manamarika, fa any amin’ny laharana faha-147 amin’ny firenena 180 isika raha ny fanasokajian’ny Transparency International, ary faha-134 amin’ny firenena 142, raha ny tatitry ny World Justice Project, izany hoe : anisan’ireo Firenena 10 voalohany be kolikoly indrindra. Tsy nahavita nanatratra ny tanjona stratejika rehetra notratrarina ny SNLCC, ka anisan’ny antony goavana ny fahasarotana eo amin'ny sehatra politika, ara-toekarena, ary sosialy izay nanatanterahana azy, ny tsy fisian'ny fiaraha-miasa sy ny fanohanan'ny rafi-panjakana, ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso tsy tapaka momba ny fanatanterahana azy, ary ny tsy fahampian'ny lafiny arak’olombelona sy ara-bola. Tsara homarihina fa ny SNLCC dia tsy nahavita nampitombo ny fahatokisan'ny vahoaka amin'ny fanenjehana mahomby ny kolikoly, fanafoanana ny tsy maty manota ho an'ireo izay manao kolikoly, izay mbola mampandringa ny ady amin’ny kolikoly. Ny faharefoana eo amin’ny sazy ara-pitsarana sy ara-pitsipika eo amin'ny raharaha kolikoly lehibe dia sakana lehibe amin'ny fanenjehana mahomby ny kolikoly, raha ny tatitra. Voalaza moa fa eo am-pamolavolana azy ny SNLCC vaovao amin'izao fotoana izao, ka ny dingana voalohany, dia io ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025, izay efa vita, ary ny dingana faharoa amin'ny fanamboarana ny SNLCC vaovao, dia ny fanaovana ny fihaonambe isam-paritra sy isam-sehatra, dia nanomboka omaly 19 Aogositra 2024. Sakana ho an’ny firenena tsy hahafahany mampiroborobo ny toekarena, tsy hiaro ny harena voajanahary, ary tsy hanome ny fidirana amin'ny tolotra sosialy tsara kalitao ny kolikoly, manitsakitsaka ny zon'olombelona, ary fositra amin'ny fananganana tontolo tsara ho an'ny fampiroboroboana ny raharaham-barotra sy ny fampiasam-bola,… Tena mbola mila ezaka i Madagasikara, ary ho sarotra ny ady amin’ny kolikoly raha mbola miainga any avy any ambony ny ohatra ratsy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT