Vao niandoha ity Fanjakana Andry Rajoelina ity, dia nilaza fa tsy hisy ny fandeferana amin’ny fanaovana kolikoly na « tolérance zero », hoy ny Filoha.
Tao anaty filankevitry ny minisitra mihitsy no nilazana an’io febroary 2019, vao andray fahefana kely i Andry Rajoelina. Nambara fa izay mpisam-panjakana tratra manodinkodina volam-panjakana dia mamerina manontolo ny vola nahodiny ankoatra ny mety ho sazy ara-pitsarana azony. Tsy arakarak’izay ny tena zava-niseho. 6033 ny isan’ny fitoriana kolikoly voarain’ny Bianco ny taona 2019, ary tany amin’ny taona 2008 no nisiana fahasahiana tahaka io. Raharaha fanodinkodinana volam-panjakana no betsaka indrindra tamin’io, hoy ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Laza Eric Donnat Andrianirina. Tany amin’ny Minisitera sy sampan-draharaha rehetra dia nahitana avokoa. Faha-158 amin’ny firenena 180 i Madagasikara, raha faha-152 ny taona 2018 amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, izany hoe nihemotra isika, araka ny tatitry ny Transparency International. Mazava iny ny tatitry ny Bianco fa ny mpiasam-panjakana sy ny asam-panjakana no nanjakan’ny kolikoly, izay midika fa tsy mipetraka ny fahefam-panjakana, tsy misy mpanaraka ny baiko sy toromariky ny Filoha matoa midangana tahaka izany ny fitoriana resaka kolikoly any anaty sampan-draharaham-panjakana samihafa. Tsy atao mahagaga io satria mety ho miainga avy any ambony ny, ohatra, raha raisina amin’ny afera “bonbons sucettes” 8 miliara, ny raharaha “écrans plats” 216 tapitrisa ariary,… Ny olom-panjakana voatonontonona amina kolikoly aza ny Filoha mihitsy no mamerina azy amina toerana ambony, ka atao mahagaga ve raha maro no manao ny ataony ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.