Na dia teo aza ny fanazavan'ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary ny fisamborana
ireo olona 2 nanaovana didy fampikarohana na "wanted" tamin'ny raharaha fanaovana hosoka nahafahana nandefa fiaramanidina tany Iran, dia mbola betsaka ny ahiahy, indrindra fa ny momba ireo mpitondra ambony. Na dia efa nesorina aza ny minisitry dia mbola betsaka ny tranga maneho fa tsy azo itokisana ny mpitondra. Betsaka ireo fihetsika sy fiteny na fitantanana mamatotra ny mpitondra. Rehefa nirefotra ny raharaha, natontona tany amin’ilay Indianina Khushwinder Singh sy ilay Malagasy Andriamananarivo Heriniaina Rijasoa ny afera. Orinasa voalaza fa efa tsy nisy tany Inde ny septambra 2022 no neken’ny mpitantana hahazo « immatriculation 5R » aty amin’ny janoary 2025. Niezaka namono afo ny governemanta, mbola nisy firaisankina nentina nanadiovana ny Fitondrana Rajoelina sy tsy hahasaringotra olona ambony, ka niaraka nanao fanambarana ny Minisitra izay nesorina avy eo dia Atoa Valery Ramonjavelo, ny Minisitry ny filaminana anatiny Rakotoarimanana Herilala, ny minisitra delege misahana ny zandarimaria Atoa Rakotondrazaka Andry, ary ny tonia mpampanoa lalàna Rtoa Rakotoniaina Narindra. Mazava ho azy fa tsy nandehandeha ho azy ireny olona ireny, tsy hoe nandeha nandeha tsy novoizina fa nisy toromarika na alalana avy any an-tampony. Minisitra milaza tsy mahalala nampangain’ny Tale Jeneralin’ny ACM ho nanome ny baiko. Filohan’ny Antenimierandoholona miteny fa tsy mahalala an’i Khushwinder Singh raha tsy tamin’ny dia tany Londres ampangain’ny sary efa tamin’ny 2019 no niara-dàlana. Dia misy mamoaka fa efa tany anatin’ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) nentina tamin’ny propagandy 2018 no efa ekipan’ny volomboasary ity Indianina ity. Samy miezaka manadio tena ho tsy nifandroy taminy anefa ireo olona ambony. Dia samy miala bala hatrany an-tampony fa tsy mahalala sy tsy tafiditra amin’ity afera ity. Lehiben'ny fitantanan-draharaham-panjakana no miteny fa tsy fantany mihitsy ny fanomezana "immatriculation" boeing 777 goavambe miisa 5 ? Manao ahoana ny fahamarinan’ny ampamoaka milaza fisiana olona maromaro nifampiraharaha tamin’io afera io tany Dubai izay nomena OM (Ordre de Mission) avy any ambony ? Inona ny fifanarahana sy tombotsoam-panjakana manodidina ny fanomezana ny laharam-pamantarana « 5R » izay heverina fa misy volabe ? Toa vao mainka namatotra ny mpitondra ireo fiarovan-tena sy famonoana afo hafahafa, ka mampiakatra ny ahiahy momba ity kolikolim-panjakana goavana ity!
TSY MITOMBINA NY FAMILIVILIANA RESAKA…
« ...Mety efa fantatra hatrany am-boalohany fa tsy ho ampiasaina eto Madagasikara ireo fiaramanidina, matoa tsy nohajaina mihitsy ireo dingana sy fepetra ara-dalàna rehetra amin’ny fanomezana 5R sy fanafarana fiaramanidina. », hoy i Raobelina Andry izay tsy vaovao amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka satria efa nanana ny kaompania Madagascar Aiways izay nanaovan’ny Fanjakana Rajoelina antsojay. Aoka, hoy izy, tsy ho avilivily amin’ny filazana hoe “voafitaka” fotsiny ny fanazavana. Raha milaza ny fanjakana fa 20 jona 2025 no naharay mailaka avy amin’ny aviation civile Kambodzianina ka nilaza fa hosoka ilay antontan-taratasy, nahoana no mbola tonga tany Cambodge ireo fiaramanidina ny 4 hatramin'ny 8 jolay? », hoy i Andry Raobelina. Nambarany fa tsy azo atao fialan-tsiny fotsiny amin’ny hoe “sous vos instructions” no nisy ny fanomezan-dalana avy amin’ny ACM. Raha narahina ara-dalàna ny dingana na « procédure » rehetra, dia tsy tonga amin'izao tranga izao. Midika izany fa tompon'andraikitra feno ny ACM hatrany amin'ny agents, chef de services, directeurs, DG, ka hatramin'ny PCA, hoy hatrany izy. Nomarihin’i Andry Raobelina fa tsy resaka fiaramanidina fotsiny intsony izao, fa resaka fanjakana tan-dalàna, fitantanana mangarahara, ary fiarovana ny voninahitry ny firenena. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa nilaza sy nanizingizina, fa tsy mitombina ny hoe tsy nisy baiko avy amin’ny Fahefana farantampony. Ho an’ny depiote Roland Ratsiraka, nilaza ny tenany fa Boeing mitentina 250 tapitrisa dolara eto ny resaka, ka tsy mino izy hoe i Andry Rajoelina tsy nahafantatra. Anisan’ny sazy mety hahazo ny Firenena ny fahatapahan’ny AGOA izay mpisa 200 000 eo no ho very asa raha sanatria izay tokoa no hitranga. Mangataka amin’ny governemanta Amerikanina, hoy izy, mba ny Fitondrana ihany no hosaziana raha toa ka ilaina mba tsy hisy fiantarikany amin’ny vahoaka Malagasy,… Henjana ny mety ho fiantraikany iraisam-pirenena satria mety ho ahiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara : asa fampihorohoroana, filaminana an’habakabaka, tsikombakomba ara-jeopolitika,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.