Kolikoly eny anivon’ny fadintseranana

Nanao bemidina koa ny Minisitry ny vola, PAC, Bianco,…


  • Zoma 17 Mey 2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

nidina an-tsehatra teny amin’ny biraon’ny Fadintseranana ny alarobia teo ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Lainkana Zafivanona Ernest, niaraka tamin’ny solotena avy ao amin’ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny kolikoly (PAC), Rtoa Rasoahanta Elysée sy ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (BIANCO), Rtoa Rakotoarisoa Faramalala. Ny vaovao samihafa hita teny amin'ireo tambazotran-tseratserara, indrindra momba ny fomba fiasa eny amin'ny Seranam-piaramanidina no voalaza fa antony, ka nihainoana ny fanazavan’ny mpiara-miasa sy nanomezana toromarika mba hanatsarana ny fomba fiasa. Milaza ny fadintseranana fa horonantsary efa ela ireo isan’ny niteraka resabe mikasika kolikoly, ary efa nandraisana fepetra avokoa ireo izay voakasik’izany. Tokony haneho toetra mendrika ny eo anivon’ny Fadintseranana, satria izy ireo no hitarafan’ny vahiny ny firenentsika, hatsaraina ihany koa ny fampahafantarana ny zo sy adidin’ny mpandeha, raha ny filazan’ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana. Misy ny lamina sy fepetra hapetraka ho fanatsarana ny fomba fiasa, indrindra ho an’ireo mpiara-miasa mandray olona eny amin’ny seranana, sy hamerenana indray ny fitokisana eo anivon’ny Fadintseranana, raha ny filazan’ny Minisitry ny fitantanam-bola. Te haneho ireo manam-pahefana samihafa fa mandray andraikitra taorian’ny toe-javatra maro vaky ambatolampy, ka dia andrasana indray izany ny vokatra eo anatrehan’ny laza ratsy sy fitarainana maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT