Kolikoly avo lentan’ny tandapa

Andrasana raha hanao fanadihadiana ny Fitsarana Malagasy…


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Azo lazaina ho sambany teo amin’ny tantaran’ny Repoblika Malagasy

no misy olom-panjakana ambony tandapa tanan-kavanan’ny Filoham-pirenena no voasambotra tany amin’ny firenen-kafa noho ny raharaha kolikoly goavana, ary alentiky ny fitsarana ao amin’ilay firenena ho meloka na miezaka manda mafy aza. Sarotra ny hahafahan-dRtoa Romy Andrianarisoa eo anivon’ny Fitsarana Britanika. Tsy mijanona eo aminy samirery fa ny anaran’ny Firenena sy ny Fanjakana Malagasy no voaviravira ao anatin’io. Kolikoly avo lenta, ary tsy azo heverina mihitsy ny hoe : tena nandeha irery raha nahomby afera satria tsy ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika mihitsy no manao fifarahana amin’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, fa ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny governemanta na ny departamanta voakasika. Kopaka isasahana ve saingy ity farany no mizaka irery ny heloka niaraha-nanao ? Ny Fitsarana any Londres mandeha, ary henjana, tsy misy kolikoly, tsy misy tsindry avy amin’ny manam-pahefana na mpitondra,… Samy miandry ny didy amin’ny 18 martsa hoe : hanao ahoana ? Andaniny, ho an’ny eto Madagasikara, hitazam-potsiny ve ny Fitsarana Malagasy sa tokony hanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ? Ho vitavita ho tahaka ny volamena 46kg nivadika vy sy ny maro hafa ve ? Voatonontonona sy voaloto ao anatin’ny raharaha ny anaran’ny Filoham-pirenena izay tsy voatery ho maloto ao anatin’io, kanefa tsy voatery ho madio ihany koa. Anisan’ny voalaza ao anatin’ny raharaham-pitsarana fa nahalala tsara ny diany sy ny fihaonany tamin’i Sean Gilbertson ny Filoha Rajoelina. Miverimberina ao anatin’ny tatitry ny vaovao iraisam-pirenena ny anaran’ny Filoham-pirenena ka vitan’ny fandisoam-baovao hoe : tsy tafiditra sy tsy misy hidirany ve sa ilaina ny fanakofana fanadihadiana ara-pitsarana hamantarana marina hoe : iza ary izany no meloka sy iray petsapetsa tamin’io ?
MANARATSY ENDRIKA NY FIRENENA ! EFA FOMBA FIASA NY KOLIKOLY SY FITAKIAM-BOLA ?
Tsy mijanona amin’ny resaka Gemfields ihany rahateo ny raharaha, fa betsaka ireo orinasa voatonontonona ho efa nanaovana izao fomba fiasa Exxon Mobile, Wisco, Total, Rio Tinto, Total, QMM, ka izay tsy nanaiky ilay ambara fa endrika fiaraha-miasa dia sahirana toy ny Madagascar Oil, raha ny voalaza tao anatin’ny famotorana. Ilay tontolon’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solika eto Madagasikara mihitsy ve izany no tsy mandeha raha tsy mizotra amin’io fomba fiasa sy fiadin’i Romy Andrianarisoa io ? Atao mahagaga ve raha tsy dia misy orinasa goavana amin’ny harena an-kibon’ny tany « Multinationales » tena mampiasa vola eto Madagasikara tato anatin’izao fitondrana fa ny karazana fitrandrahana an-tsokosoko sy fandrobana no misy tahaka ny fitrandrahana volamena ataon’ny sinoa? Moa tsy ilay fahavitrihana sy faharisihan’ny mpampiasa vola eto mihitsy ve no potehina amin’ny resaka kolikoly satria miteraka laza ratsy ho an’ny firenena ny tahaka izao ? Mila ampahatsiavina ve fa ny Britanika no isan’ny matanjaka ao anatin’ny tsenan’ny fampiasam-bola eran-tany saingy efa anaty lisitra maintiny aloha izany isika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT