fananana 151 miliara giazana
Mampiteny ny moana ny kolikoly sy afera maloto mambotry Firenena, nandritra ny Fitondrana Rajoelina ! Hatramin’ny volana Oktobra, tafakatra 170 miliara Ariary mahery ny fatiantoka voamarina fa nateraky ny kolikoly. Io tarehimarika io dia nitombo 221% raha oharina amin’ny 53 miliara Ariary tamin’ny 2024. Tsy vitan’izany fa ny fananana sy kaonty banky voageja dia nahatratra 151,8 miliara Ariary tamin’ity taona ity, raha 7,7 miliara Ariary monja tamin’ny taon-dasa. Midika izany fa nitombo 1871% ny sandan’ny fananana voageja, fitomboana goavana izay manaporofo ny fahombiazana amin’ny ampahany ho an’ny rafitra misahana ny fanadihadiana. Anisan’ny fananana voageja ho an’ny 2025 ny tany mirefy 572 hektara, trano sy trano fonenana 31, fiara sy moto 16, sambo iray, ary kaonty banky 45 mitentina manodidina ny 21 miliara Ariary. Ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites) moa no rafitra manao ny fanagiazana, iray amin’ireo rafitra 5 mandrafitra ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly. Na dia nihena aza ny teti-bola natokana ho amin’ny fisavana sy fanadihadiana satria raha 261 miliara Ar ny 2024, ary 151 miliara Ar ny 2025, dia hita fa nisy fandrosoana lehibe teo amin’ny fomba fiasa sy ny fahafahan’ny mpanadihady manavaka sy manamarina ireo tranga manahirana. Tsy niova fa vaoatazona ho 57 ireo nanao ny asa na nihena aza ny tetibola. Ireo tarehimarika ireo dia manaporofo amin’ny lafiny iray, fa misy fandrosoana azo raisina amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny afera maloto.
MILA FANADIOVANA…
Isan’ny nisongadina ny nanidiana na nangejan’ny Fanjakana ny kaonty amin’ny banky miisa 30 an’i Mamy Ravatomanga sy ireo fananana misoratra aminy, izay heverina fa mbola tsy tafiditra amin’itony tatitra itony satria ny volana novambra teo no nisian’ny fanapahan-kevitra, ary mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana. Nihazakazaka ihany koa ny raharaham-pitsarana ireo raharaha goavana toy ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay efa nampidoboka am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha sy nametrahana ambany mason’ny Fitsarana olona maro ka anisany ny ben’ny tanànan’Antananarivo; ny raharaha Madagascar Airlines izay nampidoboka am-ponja vonjimaika an’i Rinah Rakotomanga mivady sy olona 3 hafa,… Mbola betsaka ny dosie ho avy toy ny raharaha Jirama, SPM (State Procurement of Madagascar),… raha ny nambaran’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael vao tsy ela. Betsaka ireo afera ahafahana mandray lesona sy manova fiasa. Ny Cour des comptes ohatra dia efa namoaka fa 4,5 taonina ny trafika 2018-2021, ka 800 miliara Ar latsaka kely ny fatiantoky ny Fanjakana. Ny Département des Affaires économiques eo anivon’ny Firenena Mikambana namoaka fa 6,8 taonina ny volamena niondrana antsokosoko nakany Dubaï teo anelanelan’ny 2018-2023,... Ampahany ireny izay manamafy fa tena afaka miova sy mandroso ny Firenena raha tsara tantana ny vola sy harenantsika. Isan’ny vaindohan’ny Fanjakana amin’izao ny ady amin’ny tsimatimanota sy ny fanetriben’ny Firenena izay tena mila hamafisina !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.