Actualités

Kolikoly avo lenta 5 tapitrisa euro hamotehana ny Air Madagascar ?


  • Alatsinainy 01 Septambra 2014

« Ny teny toy ny atody raha foy manan’elatra », ary na » ny mpamosavy mivoaka amin’ny alina aza misy mahita ».Mandeha ankehitriny ny feo fa tena misy ny drafitra maty paika, efa voaomana mialoha hamotehana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.

Avy any ivelany io drafitra io ary tetibola hatrany amin’ny 5 tapitrisa euro na 16 250 000 000 Ar no nomen’ny vahiny olona ambony sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena mba hanatanterahana ilay « mission ». Raha ny tsiliantsofina re dia nandritra ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra no nanomezana io vola be io, ka mody natao hoe ampiasaina amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana sy fambolen-kazo. Fantatra fa efa manadihady ity resaka kolikoly avo lenta hampadoalihana ny Air Madagascar ity amin’izao fotoana ny Mediapart, ilay orinasan-tserasera sy filazam-baovao nampitsikafona ny raharaha kolikoly sy fandraisan’ny filoha Frantsay  teo aloha Nicolas Sarkozy vola be avy any amin’ny filoha Libiana itompokolahy Kadhafi. Heverina fa na tsy niteny aza izy ireo dia efa maro amin’ny mpiasan’ny Air Madagascar no mahafantatra ity raharaha ity, ka izay no mety nahatonga azy ireo nitroatra sy tsy manaiky intsony ny fanambakana antsika sy ny fanjakazakana tadiavin’ny vahiny atao eto. Nambaran’ireo mpiasan’ny Air Madagascar nanao ny Sit in tamin’iny herinandro lasa iny fa tetika maizina hamotehana ny Air Madagascar sy hampidirana fatiantoka azy ny fampikatsoana ny anarany ao amin’ilay Annexe B. Mora kokoa ho ana kaompania vahiny mantsy avy eo ny mividy na mandrapaka ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka malagasy ity rehefa bankiropitra sy tsy manam-bola intsony izy.Efa tetika maizina natao tany Kamerona io mba nanimbana ny Air Cameroun, ary izao mbola tadiavina ampiharina eto Madagasikara izao indray, hoy izy ireo.Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : mety misy ifandraisany amin’ity vola be ity ve ny fihazakazahan’ny fampitahorana sy fanapenam-bava ireo mpitarika ny hetsiky ny mpiasan’ny Air Madagascar ? Toa mba manao ampamoaka sy mikabary masiaka ihany mantsy ny FRAM sy ny Jirama fa tsy mbola nisy voaantso teny amin’ny fitsarana Anosy amin’ny andro alina izany.Tsy mbola nisy Emmo reg ihany koa nalefa teny amin’ny Jirama Soanierana ka nisakana ny mpiasa sasany tsy hiditra ao amin’ny biraony. Azo tsoahina avy amin’izany fa mifono zavatra hafahafa ny raharaha Air Madagascar ary tena mety misy ny olona matanjaka ao ambadik’io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT