Actualités

Kolikoly any Alaotra Dosie 30 hanaovan’ny Bianco fanadihadiana


  • Talata 19 Septambra 2017

Ireo sampan’asa eo anivon’ny Bianco Toamasina rehetra no ezahana entina eny ifotony, hoy ny tale iraisam-paritra ity Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity.

  Maharitra 20 andro izy ireo no mijanona ao amin’ny faritra Alaotra izay nanomboka ny alatsinainy 18 septambra. Sady hanabe ny mponina mahakasika ny ady amin’ny kolikoly izy ireo no hanohy ny fanadihadiana mahakasika ireo taratasy fitoriana tonga eny am-pelatanany. Fotoana iray hahafahan’ireo olona manatanteraka  ny fanambaram-pananana ho an’ireo izay voakasik’izany io fotoana io. Taratasy fitorohana 30 any ho any no heverina fa ho vitaina ny fanadihadiana araka ny nambara ny tomponandraikitra. Hatreto efa miisa 10 ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’izy ireo ilana fanadihadiana. Nanamafy ny tompon’andraikitry ny Bianco ao anatin’ny faritany Toamasina fa efa betsaka ireo nanao ny fandikan-dalàna nandalo teo anivon’ny Bianco no efa niakatra fitsarana. Tsy nanavahana io, hoy izy ireo, fa nitovy avokoa ny fomba nanatanterahana ny fanadihadiana na ireo heverina ho vaventy na ireo madinika.


                                                                                  Niry A

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT