Nahatratra 12% ny tahan’ny fampidiran-ketra tamin’ny 2008, nihena be anefa izy io tao anatin’ny tetezamita, ka ezahana arenina indray ankehitriny. Mbola maro ny orinasa tsy mandoa hetra ka miteraka fatiantoka ho an’ny kitapom-bolam-panjakana.
Misy fakan-kevitra sy fametrahana paikady vaovao atao ka izany indrindra no anton’ny fihaonambe nandritra ny 2 andro teny amin’ny hotely Carlton Anosy. Ny Procom izay vatsian’ny vondrona eoropeanina vola no mikarakara azy. Nanamafy omaly ny minisitry ny vola sy ny tetibolam-panjakana Gervais Rakotoarimanana fa tena havokavoky ny toekarena ny sehatra tsy miankina, mamorona asa ary mandray anjara betsaka amin’ny fampitomboana ny harinkarena. Mila hatsaraina ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana aminy sy ny fadintseranana ary ny sampandraharahan’ny hetra. Tokony handoa ny anjara hetrany ny orinasa tsirairay fa tsy manao fifanarahana maizimaizina any ambadika any ka hanao kolikoly, hoy ny minisitra. I Ntsoa Randriamifidimanana filohan’ny FIVMPAMA kosa indray dia nanamafy fa mila miova mihitsy ny toe-tsaina sy ny fomba fanao raha te hivoatra, raha tsy izay dia atsy handroso mihitsy isika, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.