KOJAKOJA FANAMBOARAN-TRANO

Mitady ireo tsara kalitao nefa mora ny ankamaroan’ny olona


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

efa manana izany, indrindra amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. Misy anefa ireo tsy maintsy manao izany mba hahafahana miatrika ny fotoam-pahavaratra ka mitady ireo karazana kojakoja tsara kalitao sady mora. Tena sarotra ny mitady izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Kesia, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Mora tole. Ho an’ny tafo manokana mantsy dia nohazavainy fa misy marika hahafantarana azy izy ireny isaky ny 1 metatra. Amin’ny alalan’iny marika iny no hahalalana ny hatevin’ilay tafo izay nomarihiny manokana fa fafan’ireo mpivarotra sasany izany mba tsy ho hita, antony mahatonga ireo mpanjifa maro ho voafitaka. Mody hahenany kely ny vidiny amin’iny hoy hatrany Ramatoa Kesia nefa aleo mividy ilay somary miakatra 1000 na 2000 Ar kely ny vidiny nefa tena tsara. Ho azy ireo manokana moa dia notsindriany fa tokony ho mailo ny mpanjifa amin’ny hamaroan’ireo kaonty anaty tambajotran-tserasera misoloky azy ireo. Eny amin’ny Foara trano etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no ahitana azy ireo nanomboka omaly Alarobia ka misy ny fitaterana maimaim-poana ny tafo ho an’ireo mividy ao aminy. Soloin’ny Mora tole ihany koa ireo carreaux sendra vaky eny an-dalana mandrapahatonga any amin’ny toerana izay hitondran’ny mpanjifa izany, ho an’ireo mividy ao aminy hatrany.
Pati
Legende : Ramatoa Kesia, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Mora tole !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT