Actualités

KMM AGOA : Miampy 1300 indray ireo tsy an’asa


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Nifamory tetsy amin’ny kianjan’Antsahamanitra omaly tolakandro ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba very asa noho ny fahatapahan’ny Agoa. Fotoana nitondrana am-bavaka ireo mpiasa no natao.

 

Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no namelabelarana tamin’ireo mpiasa tonga teny an-toerana ny antsipirihan’ny hetsika hataon’ny KMM AGOA. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Atoa Jeannot Rakotomalalasoa, filohan’ity komity ity, no nanambarany fa nisy ny fandefasana taratasy amin’Atoa Jean Ping hisarihana ny sain’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny maha zava-dehibe ny Agoa sy ny fiantraikan’ny fampiatoana azy eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy toekarena. Nandefasana dika mitovy amin’io antontan-taratasy io ihany koa ireo ankolafy politika rehetra. «  Matoky izahay fa hivaha ny olana satria hihaino ny hetaheta sy antson’ny mpiasa ana hetsiny ireo mpanao politika tompon’andrakitr’izao raharaha eto amin’ny firenena izao », hoy Rakotomalalasoa Jeannot.
Mihasarotra ny toe-draharaha
Raha ny fanazavan’ny filohan’ny KMM Agoa ihany, dia miharatsy hatrany ny zava-misy ankehitriny. « Vao omaly tokoa mantsy dia mpiasa 1300 indray no voaroaka noho ny tsy fisian’ny kaomandy intsony tamina orinasa 2 eto an-drenivohitra. Tsy hitsahatra intsony izay fahaverezan’asa izay satria saika tapitra amin’ity volana janoary ity ny fanenjehana ireo kaomandy rehetra », araka ny fanazavan’i Jeannot Rakotomalalasoa. Ho an’ny komity dia ny Agoa no manome asa olona be indrindra eto Madagasikara izay efa mahatratra 1 hetsy ka tsy vahaolana, araka izany, ny fanoloana azy amin’ny alalan’ny famoronana asa hafa. Ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ihany no lalana tokana iverenan’ity fifanarahana tsy tataovan-ketra ity, izay isika no mitana ny laharana fahatelo amin’ireo firenena mahazo tombontsoa aminy aorian’i Lesotho sy Kenya. Soso-kevitra aroson’ny komity ao anatin’ny taratasy nalefany amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny fiverenana amin’ ny rafitra demokratika,  ny fanalefahan’ny fanjakana ny vesatry ny angovo sy ny ranon’ny jirama, ny hofan-tranon’ireo orinasa, ny fampihenana ny haba alaina amin’ny fanondranana entana ao amin’ny Agoa ary ny fanafoanana ny Tva mba hahafan’ireo orinasa mbola mihodina miatrika ny fifaninanana

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT