KMF

CNOE


  • Alakamisy 23 Oktobra 2025

Raha jerena maimaika toa fitondrana

manaja ny demokrasia ivelany fotsiny no nisy teo aloha fa ambadika dia fanagejana no tena niainana hoy izy ireo. Nahazo vahana ny « démocrature », fanjakana ara-dalàna no nisy fa tsy fanjakana tan-dalàna, hoy ny KMF/CNOE omaly teny Antanimena. Nampahazo vahana haingana ny hetsiky ny tanora ny tsy fihainoana ireo fitarainana sy hetahetam-bahoaka fa naleon’ny fitondrana nisambotra sy nanagadra izay rehetra sahy miteny sy manoro. Maro ireo fanontaniana tsy ahitam-baliny hatahorana hiteraka fizarazana amin’izao fotoana hoy ny KMF/CNOE. Fotoana izao hanavaozana ny rafitra rehetra sy hanarenana ny lesoka hoy izy ireo. Teboka maro no mila jerena ao anatin’izany izay nitondran’ity fikambanana ity tolo-kevitra androany. Santionany amin’izany ny tokony hifantohana bebe kokoa amin’ny amin’ny fijerena sy famahana ny fototry ny olana misy eto amintsika. Tokony miainga avy any ifotony izany hoe avy eny amin’ny kaominina, faritra ary mifarana eny anivon’ny sehatra nasionaly ny fakan-kevitra amin’ny fametrahana tondro zotra, programa ny fanovana rafitra ary iarahana miasa amin’ny manam-pahaizana sy sampana misy eto Madagasikara. Mila hafainganina ny fitsirihana tsy mitanila ny fitantanana ireo andrim-panjakana sy ministera ary avoaka mangaharahara tanteraka ny vokatr’izany ho fantatry ny olompirenena mba hialana amin’ny fiavorovoroana. Omeo sata ary sokafana indray mandeha isaky ny herinandro ny Kianjan'ny 13 Mey mba ho toerana ahafahana maneho hevitra, hoy ny KMF /CNOE. Manentana ny olom-pirenena izay fototra iaingan’ny fiovana moa ny KMF/CNOE mba samy handray ny andraikitra ka tsy hiandry olon-tokana na sokajin’olona hitondra ny fiovana. Sahia mijoro hanara-maso ny fitondran-draharaham-panjakana. Nanamafy moa ireto farany fa hipetraka ho mpitondra vahaolana fa tsy ho olana.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT