Actualités

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

 

 

 

amin'ny vahoaka Malagasy ny amin'ny fanarahana ireo toromarika apetraky ny Filohan'ny Repoblika mivoaka amin'ny haino aman-jery, ahafahana mandresy ity valan'aretina ity; Isaorana manokana ny Fitondram-panjakana nandray ireo fepetra rehetra anisan'izany ny fanapahana mikasika ny "Situation d'urgence sanitaire" ary koa, izay tsy azo atao ambanin' javatra, dia ny " Plan d'urgence sociale". Mitaky kosa ny KMF-CNOE fampisehoana mangarahara ny fitantanana amin` ireo fanampiana, sy ireo masontsivana enti-mamaritra ireo olona marefo; Eo koa ny fandinihina manokana ireo olona misehatra amin'ny "secteur informel" sy ireo voakasika an-kolaka noho ireo fepetra mikasika ny "Fihibohana" toy ny Mpiseradia ohatra. Mankahery hatrany ny Vahoaka malagasy tsy vaky volo, indrindra fa ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana sy ara-panjakana isan'ambaratongany, ny amin'ny fitsinjovana akaiky ny Vahoaka Malagasy tsy hanavahana, amin'ny fisorohana sy fiadiana ity aretina"Covid 19" ity eto amin'ny Firenena Malagasy ny KMF-CNOE.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT