Actualités

Kitra – Amboaran’Analamanga Ambivitra no nandrombahan’ny AS Adema ny andiany voalohany


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Norombahan’ny AS Adema ny andiany voalohany tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’Analamanga.

 Marihina fa tafiditra amin’ny fifaninanan’ny taom-pilalaovana lasa izy ity fa izao vao natao ny famaranana. Teny amin’ny kianjan’i Betoho no nanatontosana ny fihaonana ny alahady teo ka efa tany amin’ny “tirs au but” vao tafavoaka nandresy ny ekipan’ny seranana tamin’ny isa 4-3 nanoloana an’ny Tana Formation FC. Marihina fa nisaraka tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta hatreo amin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana. Hiverina hitohy indray ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga izay hiditra amin’ny andro fah-21 alohan’ny farany ny faran’ny herinandro izao ka hisy ireo lalao hatao eny Carion sy Mahamasina. Mitarika lah-1 voalohany vonjimaika moa izao ny IFC arahin’ny Tana FC akaiky.

Rasanda Serge

Fandaharan-dalao

Andro fah-21:

Sabotsy 4 jolay (Carion)

9:00-STK#4FAA

11:00-Cospn#Cosfa

1:00-ASSM#Hezami

Alahady 5 jolay (Mahamasina)

10:00-Tana FC#Mama FC

12:00-Vesta#Elgeco Plus

2:00-AS Adema#IFC

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT