Actualités

Kidnapping” tany Morarano Chrome Mahatratra 200 tapitrisa Ar ny fitakiam-bola


  • Talata 28 Febroary 2023

Miverina indray ny fakana an-keriny na “kidnapping” any amin’iny faritra Alaotra manamorona an’i Tsaratanana iny. Ny zoma 24 febroary teo,

olona 3 mianadahy no nisy naka an-keriny tao Ambohimanarivo Morarano Chrome Distrikan’Amparafaravola, izay marihina fa 8 andro monja taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay nampanantena vahaolana momba ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny. Sahiran-tsaina ireo vahoaka, indrindra ny fianankavian’ny olona nalaina an-keriny noho ny fitakiana volabe tsy toko tsy forohana. Tokantrano roa mifanila no nakana an-keriny ireo olona telo mianadahy ireo. Ny vehivavy iray izao dia vao tera-bao, ohatra, kanefa tratry ny "kidnapping" ny vadiny ary mangataka vola 200tapitrisa ariary ireo mpaka takalon'aina, hoy ny fanamarihana. Misy zaza izay izay tokony hinono kanefa ny reniny lasan’ny jiolahy. Noho ny zava-misy, nanao diabe ireo fianakavian’ireo nalaina an-keriny omaly, miantso vonjy eo anatrehan’ny zava-manjo azy azy ireo. Sady nilahatra no nilanja sora-baventy ny olona no nangataka tsipaipaika eo anatrehan’ny fitakiana volabe ataon’ireo mpaka an-keriny. Aiza ny toky nomenao president fa hijery anay? Stop kidnapping, jereo izahay Président fa mijaly loatra amin’ny tsy fandriampahalemana,… hoy ny ampahan’ny sora-baventin’ireo. Ny zavatra tsikaritra, toa rehefa akaiky fifidianana no isehoan’ny tranga tahaka izao, ka asa na tetika hitadiavam-bola hanaovana propagandy na finiavana hanakorontana, na koa tsy fandriampahalemana mahazatra?


Fakana an-keriny faharoa re tato anatin’ny tapa-bolana moa ity mitranga any Alaotra ity satria vao ny 19 febroary lasa teo ihany koa no nisiana tovolahikely 9 taona hita faty teny Tanjombato, rehefa nalaina an-keriny, ary nitakiana vola be ny fianankaviany. Nonina teny 67 ha izy io, ka lehilahy naman'ny fianakaviana ihany no voarohirohy ho naka ilay zaza sy nametraka azy tamina ramatoa iray. Nitakian'izy ireo vola 10 tapitrisa ariary moa ny fianakavian'ilay zaza ka tamin'ny findaina vehivavy mpivaro-tena, sakaizan'ity lehilahy ity no nandefasana ilay vola. Olona 3 no efa nosamborina. Tena tsy milamina ny tany ka mila mailo sy mitandrina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT