Actualités

“Kidnapping” misesy ao Toamasina Zanaka jeneraly zandary no atidoha ?


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2014

Misesy ny tranga fakana an-keriny miseho ao Toamasina. Raha tsy mbola tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ilay teratany Karana, na dia efa nandoavana vola ana miliara aza, dia fantatra koa izao fa lasibatra ny zanaka lahimatoan’ny mpitantana ny masoivohon’ny tambajotran-tserasera lehibe iray ao Toamasina

Tao an-tranony ao Tanambao V ilay zaza no nisy naka an-keriny, omaly maraina. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia manodidina ny valo lahy, mitam-basy mahery vaika sady manao sarontava no naka azy. Nitondra fiara 4x4 maitso sy fiara Golf ireto farany. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nahenoana fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny. Omaly ihany anefa dia efa mandeha ny fikarohana rehetra ary nosokafana ny fanadihadiana. Tao anatin’izany no mivoaka ny resaka fa tovolahy zanaka jeneraly zandary no ahiahiana ho ao ambadik’izao fakana an-keriny misesy ao Toamasina izao. Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany dia mampiahiahy ny fihetsik’io tovolahy io. Manofa hotely avo lenta, ary matetika misy trangana fanafihan-jiolahy mahery vaika na fakana an-keriny mitranga mandritra na aorian’ny fotoana andalovany ao Toamasina. Efa nanan-draharaha tamin’ny mpitandro ny filaminana izy tamin’ny 2013, saingy voalaza fa arovan’ny rainy mafy, ka mampananosarotra ny fanadihadiana. Misy indray ity tranga ity, ka andrasana ny fivoarany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT