Actualités

Kidnaping tany Soalazaina Voasambotra ireo olon-dratsy


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Niakatra fampanoavana omaly tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ambatondrazaka izy enina mianadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay fakana takalon’aina tany Vohitsoa Soalazaina ny 21 aogositra lasa teo

Ankoatra ny fakana an-keriny ilay tovovavy kely 15 taona dia anisan’ny hanenjehana azy enina mianadahy ireo ny fakana ny vola vidin’entana tao amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy vavy. Toerana samy hafa no nanamborana azy enina mianadahy. Tao ny sarona tany Soalazaina, nisy ny tany Morarano chrome ary ny tao Ambatondrazaka. Raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana dia karazana tambajotra matanjaka mihitsy amin’izao fotoana izao any Alaotra ny manao io resaka fakana takalon’aina io. Tsy mitaraina tana-miempaka anefa ny mpitandro ny filaminana na zandary na polisy na miaramila fa miaraka misalahy mikaroka ireo olon-dratsy. Fantatra fa mahakasika ilay kidnapping tany Andilamena dia efa nisy ny nidoboka am-ponja ary eo am-pikarohana ny atidoha nikotrika izany ny zandary any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT