Actualités

Kianja Rasolonjatovo -Ambatondrazaka Mananontanona indray ny fahapotehany


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Toe-tsaina mihitsy no mila ovana raha tiana ny hanana zavatra tsara. Misy manao amboletra indray hikarakara hetsika ankoatra ny fanatanjahantena ao amin’ny kianja Rasolonjatovo amin’ity volana ity

. Toa tsy tsapan’ireo olona ireo ny vola lanin’ny vahoaka nentina nanamboarana io kianja io rehefa tsy vitan’ny fanjakana tetezamita ny fanamby izay nataony. Rehefa vita ilay izy ankehitriny dia misy olona ambony tsy te halala fa mitady hanao tsindry bokotra fotsiny fa hoe tsy maintsy ao no atao ilay hetsika. An’ny vahoaka ny kianja Rasolonjatovo, misy ny komity napetraka hitantana azy. Efa nofaritana fa ny hetsika ara-panatanjahantena ihany no azo ampidirina ao amin’ny kianja. Mbola betsaka ny toerana malalaka ao Ambatondrazaka azo hanaovana hetsika ankalamanjana, fa tsy voatery hisisika hiditra ao amin’ny kianja Rasolonjatovo. Fony simba io kianja io, nahavita nijery toeran-kafa nanaovana hetsika ny sasany koa maninona ankehitriny no mitady hanao amboletra. Mitovy avokoa ny fepetra hapetraka amin’ireo mikasa hampiasa ny kianja Rasolonjatovo dia ny hoe: fanatanjahantena no azo tanterahana ao fa ny ankoatra izay dia mba mandefitra kely mitady toeran-kafa. Rariny raha sarotiny amin’ny kianja Rasolonjatovo ny mponina Ambatondrazaka satria telo taona izy ireo nijaly tsy nanana kianja koa ankehitriny misy mitady hanao amboletra fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT