KIANJA MAITSON’ALASORA

Tsy vakoka izany, hoy ny tompon’andraikitra


  • Talata 10 Desambra 2024

Nasiam-panatsarana ho lasa kianja hahafahana milalao basket baolina ny kianja maitson’Alasora,

distrikan’Avaradrano amin’izao. Betsaka ny resaka mandeha mifamahofaho mifandraika amin’izany, antony nitondran’ny tompon’andraikitra fanazavana manokana. Fantatra fa tsy vakoka ny kianja maitson’Alasora. Toerana iray filalaovan’ny mpianatry ny EPP Ambohimanga Alasora tamin’ny fotoan’androny izy io raha ny nambarany naorina tamin’ny taona 1998, tamin’ny andron’ny Ben’ny tanana teo aloha Rabearisoa Eric, novatsian’ny Cooperation Francaise vola. Tsy mbola vakoka araka izany ny foto-drafitrasa vao 26 taona hoy ny fanazavana ary raha natsiam-panatsarana izy io dia mba hahafahan’ny tanora avy amin’ny Fokontany miisa 20 miala voly ary efa nangatahana tso-drano tamin’io Ben’ny tanana teo aloha io koa. Tsiahivina moa fa indray mandeha isaky ny 3 volana ity toerana ity teo aloha vao mba misy hetsika hany ka tena nangina. Ankehitriny tsy izany intsony ny zava-mitranga fa niova tanteraka.
Pati
Legende : Efa misy kianja filalaovana basket baolina mahafinaritra tahaka izao ao amin’ny kianja maitson’Alasora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT