Niverina indray ny adin’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ireo fokonolona ao Androhibe mikasika ilay kianja filalaovam-baolina ao an-toerana.
Nofefen’ny Fiangonana nanomboka omaly Alakamisy 17 Oktobra maraina indray mantsy io kianja filalaovam-baolina io izay nampitroatra ny fokonolona ka nanosika ireto farany nilanja sora-baventy nanohitra izany. Tonga teny an-toerana vokatr’izany mihitsy ny mpitandro ny filaminana nahitana ny EMMOREG sy ny vadintany izay niezaka nanazava tamin’ireo mponina ny mombamomba ny tany no sady nanaparitaka azy ireo. Efa nomen’ny Fanjakana ny FLM foibe mantsy ny tany, raha ny fantatra ary nahazo 5 taona hahafahany manohy ny asa tokony hataony ny FLM ao Androhibe. Nambaran’ireo fokonolona moa fa ny tsy fananan’ireo tanora ao Androhibe toerana hahafahana manao fanatanjahantena sy miala voly intsony no tena mampalahelo azy ireo, antony mampirongatra ny fidonanam-poana sy ny fandraisana zava-mahadomelina ka tsy tokony hokitihina. Ho an’ny FLM eny an-toerana moa dia notsindriany fa afaka miresaka amin’ireo fokonolona tsara izy ireo raha ilaina izany no sady tsy miady tany ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay kianja hiadiavana izay tanim-panjakana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.