Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny www.ketrika.com sy ireo orinasa maro eto Madagasikara. Ankoatran’ny Uditec, Imra, Trust, Samsung, sy ny maro hafa dia miara- miasa amin’ny oriana Star ihany koa ny www.ketrika.com ankehitriny.
Fantatra maneran-tany amin’ny famokarana ‘boissons alimentaires, boissons gazeuses,…” ary miavaka amin’ny fenitry sy kalitao amin’ny entana izay vokariny. Io fiaraha-miasa amin’ny Star io noho izany no nahatonga ny www.ketrika.com ho lasa mpanjinjara ny vokatra Star eto Madagasikara. Ny rano fisotro, toy’’eau vive’’, ny’’cristalline’’ dia hita ao amin’ny ketrika.com avokoa.
Tsotra ihany ny fomba fanjifana ny entana: na amin’ny alalany “achat jetons” raha manana kaonty ketrika ianao, na ihany koa “achat direct” raha toa ka mbola tsy manana kaonty. Afaka aloha amin’ny “mobile money” kosa ny vola avy eo. Ho fahafaham-po ny mpanjifa hatrany moa dia nomena safidy izy ireo ny amin’ny fahazoana ny kaomandy: na alain’izy ireo eny amin’ny “points relais” ketrika izany, na aterina eny amin'ny toeram-piasana na aterina eny amin’ny toerana izay voatondron’ireo mpanjifa ihany koa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.