Actualités

Kestora Guy Rivo Randrianarisoa Nijery ireo sahirana teny Andraisoro boriborintany faha-5


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Tsy miasa eny amin'ny Antenimiera fotsiny ihany no andraikitra fa mitsidika ny vahoaka nifidy koa rehefa faran'ny herinandro, hoy ny Kestora faha-3 eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny depiote

Guy Rivo Randrianarisoa tamin’ny fanolorana fitaovam-pianarana ho an'ireo fianakaviana sahirana nahatratra 80 isa tany ho any araka ny fangatahan’izy ireo ary koa fanolorana amboara omby sy ondry tamin’ny fifaninanana baolina kitra lahy sy vavy natao nandritra ny herinandro mba ho famalifaliana ireo ankizy tsy afaka nandeha naka vakansy noho ny hoenti-manana. Ny sabotsy teo teny Andraisoro no nanatanterahana izany.  Tamberin'andraikitra na « redevabilité sociale » no hiantsoana izany, hoy izy, ka ilaina ny mifanerasera amin'izy ireny matetika fa tsy adala ireny vahoaka ireny fa mijery sy manara-maso ny ataon’ny olona nofidiana hisolotena azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT