Kermesin’ny tafika

Nisokatra omaly etsy Betongolo, maimaimpoana ny fitsidihana


  • Alarobia 19 Jona 2024

Toy ny efa fanao isan-taona, tanterahana ao amin’ny Kianjan'i Betongolo ny Kerimesin'ny Hery

Fiarovana sy Filaminana manerana ny Nosy, ka nosokafana ofisialy omaly 18 jona 2024 io. Nanokatra izany ireo manam-pahefana ambony eo anivon’ny tafika, ny zandarimarimaria, polisim-pirenena notarihin’nyny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin Minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ary ny Minisitry Delege misahana ny Zandarimariam- pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry, notronin’ny Minisitry ny Asa vaventy sy ireo tompon'andraikitry ny Fibaikoana rehetra. Natomboka tamin'ny fampisehoana fahaiza-manao niombonan'ny FDS ny lanonam-panokafana, ka nampisehoan'ireo mpandray anjara fahakingana samihafa toy ny amin'ny fanavotana takalonaina. Nisy ny fitsidihana fampirantiana mombamomba ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, izay notarihin'ireo Minisitra. Nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy. « Eo akaikin'ny vahoaka mandrakariva ny mpitandro filaminana, ka natao hanamasaka ny fifaneraserana sy ny fifandraisana misimisy kokoa izao kerimesy izao », hoy ny Minisitry ny fiarovana. Isan’ny hetsika mampitodika any amin’ny 26 jona, sy hanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena no sady fetin'ny Foloalindahy moa ity Kerimesin’ny tafika ity, izay azo handraisana anjara maimaimpoana ny fitsidihana sy ny fahatongavana eny an-toerana. Ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara no miara-manao hetsika kerimesy toy izao, ho fiaraha-mifaly sy miravoravo, ary miombom-po amin'ny fankalazana, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT