KATSEPY MAHAJANGA

Mpitsoa-ponenana 10 hita maty an-drano


  • Talata 04 Novambra 2025

Nampalahelo ny zava-nitranga tany

Katsepy Mahajanga omaly Alatsinainy 03 Novambra. Vehivavy miisa 7 sy lehilahy 2 raha kely izay heverina ho mpifindra-monina Somaliana ho hita maty an-drano, efa tsy nisy fofon'aina intsony. Tombanana efa roa andro no maty izy ireo hoy ny vaovao. Nisy nikainkona mafy noho ny hatsiaka mantsy ny sasany. Efa tonga nijery ny zava-nisy ireo manam-pahefana sy solontenan’ny Nosy Kaomoro any an-toerana. Raha ny tombana.moa dia mety ho tratry ny loza an-dranomasina ny sambokely nitondra azy ireo. Fantatra moa fa ny iray tamin'izy ireo no hitan'ny mpitandro ny filaminana tany anaty ranomasina, antony nahafolo azy ireo raha teny amoron-dranomasina ny 9 ambiny. Andrasana izay mety ho vokatry ny fanadihadiana hataon'ny tompon'andraikitra.
Pati
Légende : Tahaka izao ny sasany tamin'ireo razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT