Lehilahy iray monina ao Faliarivo Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano no maty an-drano omaly zoma 15 mey.
Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia nanasa tongotra teo amin’ny sisin-drano teny amin’ny kariera Vinany Itaosy ity lehilahy ity. Latsaka tampoka tao anaty rano anefa ny savony nampiasainy nandritra izany ka nenjehiny. Latsaka tany anaty rano ihany koa ity tovolahy ity vokatr’izany izay marihina fa tena lalina tokoa. Tsy nahavotra ny tenany izy araka izany, ilay vato tokony nisaringitana ihany koa malama ka nafoiny hatramin’ny ainy. Ora iray taorian’ny nikarohan'ny mponina ilay tovolahy tao anaty rano moa vao tonga ny mpamonjy voina. Efa vatana mangatsiaka sisa araka izany no novantanin’izy ireo. Efa tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana avokoa moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.