Hita eto amintsika avokoa ireo karazana baobab enina amin’ny sivy misy manerana izao tontolo izao.
Fantatra izany nandritra ny fampahafantaran’i Syrille Cornu ilay mpikaroka teratany frantsay nanatanteraka horonantsary fanadihadiana tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny izay dia namakivakiany lalana mirefy 4.000 km niala tao Morondava Toliara nihazo an’i Morondava. Maharitra 56 minitra io horonantsary fanadihadiana io izay marihina fa nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana nandraisan’ireo firenena 65 isa tany Sarra Jevo. Iray tamin’ireo horonantsary fanadihadiana mendrika tamin’ireo 460 isa izy io izay mbola amin’ny fiteny frantsay aloha. Fikasan-dRanarison Lioka ny hamadika izany ho teny gasy atsy ho atsy hahafahan’ny Malagasy mianoka tanteraka ao anatin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.