Actualités

Karazan-javamaniry « pachypodium » Misy mitady hanao trafika sy hanondrana ihany koa


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Fototra pachypodium miisa 400 eo ho eo, izay mitovitovy endrika amin’ireny zanaka baobab ireny izay tena arovana

fatratra no hita nisy nanongotra no sady efa vonona ahondrana no tratran'ireo mpisehatra amin'ny Fizahan-tany tao Isalo ny zoma folakandro lasa teo. Efa nafatratra tao anaty fiara izy ireo ary efa saika ho entina hiainga mihitsy. Nandritra ny fandehanan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany moa no efa tafatsoaka ireo olona heverina ho fametriben’ny firenena ireo ka tsy nisy tratra. Toraka izany ihany koa ireo olona nanongotra ireo zava-maniry manana ny maha izy azy sy mampiavaka an'Isalo manokana ireo. Marihina moa fa anisan’ny tena miavaka isika eto Madagasikara amin’ny resaka zava-maniry sy biby tahaka ireny ka tokony hoarovana sy ambenana fatratra. Tokony hametrahana fepetra hentitra sy saziana mafy araka izany ireo karazan’olona mamotika sy mandripaka azy ireny mba tsy ho sahy hanao izany fihetsika mamoafady izany intsony ny hafa.
Pati
Legende : Ireto ireo karazana baobaba kely saika haondraon’ireo tsy mataho-tody
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT