Karazan-gidro

Misy mahasahy mivarotra eny amin’ny torapasika


  • Talata 07 Janoary 2025

Sady mampalahelo no mahasorena ny miheritreritra sy mahita ny zava-misy

 ao amin’ny torapasik’i Foulpointe amin’izao fotoana izao. Misy mahasahy mivarotra eny amin’ny torapasika ny karazan-gidro izay heverina fa biby arovana sy ahiana ho lany tamingana no harem-pirenena rahateo. Isan’ireo karazana voalaza, ohatra, ny «Microcebus». Toy izany koa ny «Pachypodium». Aiza ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana, indrindra, ny minisiteran’ny tontolo iainana manoloana ny tranga toy itony na dia atao hoe tsy ampy tahaka ny inona aza ny famatsiam-bola avy amin’ny fitondràm-panjakàna foibe? Misy mivarotra ireo karazan-gidro anaty makarakara toy ity hita amin’ny sary ity ary misy ny mangeja izany ihany koa anaty tavoahangy, raha ny nambaran’ireo mpitsangatsangana eny amin’ny torapasika hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT