Karazan-doto eto Antananarivo

Asa goavana miandry ny mpitantana vaovao


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Azo lazaina ho asa goavana miandry ny mpitantana vaovao ny renivohitr’i Gasikara,

izany hoe izay ho ben’ny tanàna vaovao eo, ity karazan-doto eto Antananarivo ity. Antananarivo renivohitra izay malaza ratsy manerana izao tontolo izao fa isan’ireo tanàn-dehibe maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Fahatelo maloto indrindra maneran-tany ary voalohany amin’izany aty Afrika moa no filaharana nampahafantarina farany. Asa hoe manao ahoana indray ny toerany amin’izao fotoana tsy mety hilatsahan’ny orana izao. Ny fahalotoan’ny rivotra efa manempotra fa ny hafanana midangana efa hila hitovy amin’ny any amin’ny faritra andrefan’ny nosy toy ny ao Maevatanana sy Mahajanga koa tena efa mila tsy ho zaka intsony. Tsy mbola zatra izany maripana 32 degré no miakatra izany hatramin’izay isika, hoy ny fanehoan-kevitry ny mponina iray. Andro amin’ny 5 ora mahery hariva izao dia io misoratra amin’ny solosaina io ny marimpana fa mbola 26 degré, hoy kosa ny fanehoan-kevitra hafa. Ny olan’ny fako mbola tsy voavaha. Ny rano tapaka lava. Ao anatin’ny 3 andro izany izao vao mahafeno sinibe iray raha manangona, hoy ny raim-pianakaviana iray, satria ny anay izao ny alakamisy teo tamin’ny 10 ora alina no niverina dia atsasa-kadiny taorian’izay tapaka dia tamin’ny 3 maraina tany ho any indray vao nisy rano. Tapaka indray avy eo atsasa-kadiny taty aoriana. Sabotsy tamin’ny 2 maraina tany indray vao niverina dia izay vao feno tanteraka io sinibenay io, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity nitantara.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT