Actualités

Karatra Fanilo - Solika Mora ny hanaraha-maso ny mpiasam-panjakana


  • Talata 10 Novambra 2020

Manao antso tolo-bidy ny ministeran` ny toekarena sy ny vola (MEFB) ho an`ireo orinasa mpamatsy fitaovana hanavaozana sy hanampiana ny karatra Fanilo, na ilay karatra fakana solika avy amin`ny fanjakana na ny “Système de payment électronique des carburants lubrifiants” (SPECL) izay nahasolo ny “chèque carburant” (CECAL).

 

 

 Raha tsiahivina dia ny volana martsa 2016 no nampiasana izany karatra izany voalohany. Niisa 8.000 ny karatra Fanilo niasa sy niparitaka ka ny 2.100 no nampiasa ny SOA na ny “Service Opérationnel d’Activités”. Maherin`ny 254 koa ny toeram-panijara solika nametrahana ilay fitaovana kely antsoina hoe TPE na ny “Terminal de Paiement Electronique”, ampiasana ny karatra, izay azon’ny mpampiasa izany ampiasaina ka efa nahatratra 54.000 ny fifanakalozana efa vita tao anatin’izay andrana natao izay. Marihina moa fa ity karatra fanilo ity no hasolo ny chèque carburant na ila CECAL izay fomba mora hanodikondinana volam-panjakana satria dia io chèque io no atakalo vola eny amin'ny station carburant, ka mahazo 10% ny pompiste na ny gérant mihitsy aza. Araka izany, tombontsoa ho an`ny fanjakana ny ahazoana mamantatra amin`ny fotoana rehetra ny fifanakalozana nisy teo amin`ny mpanjifa sy ny mpaninjara solika ahafahana manana antontanisa marina. Ny mpanjifa kosa dia afaka mividy solika amin`izay fatra tadiavina amin`ny fotoana rehetra sy amin`ny toerana rehetra. Nitombo isa moa ny mpiasam-panjakana ka mety ho izany no anton` izao antso tolo-bidy ataon` ny MEFB izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT