Maty nisy namono teny amin’ny La City Ivandry “sous-sol” an’ny Parking eny an-toerana ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 8ora alina latsaka fahefana teo I Dani Radjan,
teratany Indianina (karana), araka ny fampahafantarana nataon’ny CFOIM na Fikambanan’ny teratany Indianina mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Omaly no nanao fanambarana ny CFOIM, fa manameloka tanteraka ny famonoana an’I Dani Radjan, ary manao antso avo amin’izay manam-baovao hanampy ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza. Nambaran’ny fampahalalam-baovao iray kosa fa, rahalahin’ilay karana antsoina hoe Moustapha karohina amin’ny resaka fanaovana “kidnapping” I Dani Radjan, ary efa voarohirohy tamin’io raharaha io ihany koa. Ny 2013 dia nidoboka teny Tsiafahy izy mirahalahy ireo. Tsy nijanona ela tany anefa dia tafavoaka, nitohy ny asa ratsy, ka ankoatra ny fakana an-keriny, dia malaza amin’ny resaka famotsiam-bola, trafikana volamena,... I Moustapha dia tsy iza fa ilay karana nokarohina niaraka tamin’i Lama, izay lavon’ny mpitandro filaminana ny volana mey lasa teo. Ny taona 2016 dia voatifitra ary mitondra takaitra, ary any La Réunion amin’izao fotoana izao. Heverina ho misy ambadika avo lenta, toy ny resaka valifaty, famonoana noho ny mety ho fivoahana tsiambaratelo,… ity raharaha fahafatesan’i Dani Radjan ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.