Mahazo vahana ny fakana an-keriny tato ho ato. Antananarivo sy Toamasina no tena isehoany. Lasa endrika fitadiavam-bola vaovao mihitsy aza izy ity.
Vaovao anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro ny amin’ilay zanaka Karana nisy naka an-keriny tao Toamasina tamin’ny 24 jona 2014, iray volana lasa izay. Tsy mbola tafaverina eo anivon’ny fianakaviany i Owen Alek hatreto, ary heverina fa mbola eo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny azy. Ity no voalaza fa tranga fakana an-keriny naharitra indrindra hatreto. Manana olana ara-pahasalamana anefa ilay tovolahy Karana, 25 taona, raha ny filazan’ny fianakaviany, izay mitalaho mafy mba hamotsorana ny havany. Toa efa nandoa ny vola notakian’ireo jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy rahateo ny fianakaviany. Mirongatra ny fakana an-keriny tato ho ato. Antananarivo sy Toamasina no tena isehoany ary saika Karana no lasibatra. Lasa endrika fitadiavam-bola vaovao mihitsy aza izy ity. Misy resaka miely indray mantsy manodidina ity tranga ity fa hoe : “mbola misy ambim-bola tsy voaloa”, ka izay no mbola itazonan’ireo mpaka an-keriny an’i Owen Alek. Araka io resaka miely io ihany koa dia hoe “misy dokotera manara-maso ny fahasalamany”. Eo no mampiahiahy amin’ity raharaha fakana an-keriny ity. Etsy an-kilany dia mahatsiaro ho sahirana ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana noho ny tsy dia fisian’ny fiaraha-miasa loatra eo amin’izy ireo sy ny fianakavian’ilay karana nisy naka an-keriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.