Actualités

Karana nidaroka olona tao Toamasina Hiakatra fitsarana ny 31 aogositra izao


  • Talata 29 Aogositra 2017

ranga iray anisan'ny nitana ny sain'ny mpanara-baovao tao an-drenivohitr'i Toamasina,

 

Tvolana vitsy lasa izay, ny famonoana sy fikasihan-tanana olon-tsotra sady vahoaka madinika tsy manan-tsiny nataona teratany Karana iray malaza ho mpanefoefo eto amintsika. Potika sy naratra mafy ary voatery nentina nozairina teny amin'ny hopitaly mihitsy ny tavany vokatry ny daroka nahazo azy. Tsy afa-nanohitra noho ny hery tsy nitovy. Na nanao fitarainana teny anivon'ny manampahefana azy ilay voavono dia tsy nisy fampiantsoana natao tamin'ilay Karàna hatramin'izao. Ny 31 aogositra izao no hiakatra eny amin'ny tribonaly ny raharaha. Heverin'ny fianakaviana fa hisy ny fitsarana amin'ny fo tsy miangatra ny zon'ny mpitory, ka hanamelohany izay nanao ny tsy nety. Ankoatra ny famonoana tamin'io fotoana io dia norobain'ity Karana ity avokoa ny entany izay mapametra-panontaniana ny olona. Hatreto, manaraka akaiky ny raharaha ny fianakaviany, ny vahoakan'i Toamasina ary ireo "diaspora" any ivelany. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana anefa dia fantatra, fa tsy eto Madagasikara ity vahiny mpisetrasetra ity, fa lasa nitsoaka any an-dafindriaka na dia efa namoahana IST sy tokony hosamborina  aza raha ny baikon'ny praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Malagasy. Ankoatra io famonoana olona io dia maro be ireo fitoriana nataona orinasa (banque, assurance) mbola mahakasika azy, Marihina fa tsy mahavita tena hirehareha toy izao ity mpanefohefo ity, fa manana lamosina mpiaro azy, ka hanairana ny sain'ny tompon'andraikitra satria mampijaly sy mambotry ny firenena.   

 

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT