Teratany Karana iray malaza ho mpanefohefo sy mpanjakazaka fananan'olona ao amin'ny Faritr'Atsinanana no milaza, fa tsy matahotra ny lalàna misy eto amintsika.
Manaporofo izany ny fisiana fitoriana maro be mahakasika azy any an-toerana, kanefa hatramin'izao dia samy nanjavona sy tsy misy tohiny avokoa ny amin'izy ireo. Amin'ny ankapobeny dia resaka hosoka, fisolokiana ary fanararaotana avo lenta avokoa no hitoriana azy ary efa nandraisan'ny Governemanta fepetra manokana ny hisamborana azy, saingy tsy tontosa izany, ka mampitaraina ireo mpitory ny tsy fandraisan'andraikitra ataon'ireo manam-pahefana isan-tokony.volana vitsy aty aoriana. Marihina, fa manara-maso ity raharaha ity ireo tompon'andraikitra ao amin'ny fiahiana ny zon'olombelona sy ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany satria olona namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny faritr'i Madagasikara no tafaporotsaka tampoka any ivelany, ka hanairan'izy ireo ny isan'ambaratongany eto anatiny handray fepetra hentitra satria ny olona toy itony no heverin'izy ireo ho fanetriben'ny firenena ary mampikororosy ny toekarena amin'ny ankapobeny amin'ny fambotriana ny orinasa Malagasy (banky; trano fiantohana, tany, vokatra fanondrana), Hatreto dia tsy misy afaka manala izay IST izay raha tsy izay nanome izany ihany no mandrava ny didy. Araka ny fantatra dia dia efa miezaka mijery izay fomba rehetra afahana mamerina ity Karana ity eto an-toerana ny "Premier Ministre, Procureur Géneral", ka ho hita eo izay tena olobe ao an-damosiny ao. Raha tsy izay anefa no tanteraka dia iza no handray andraikitra hanolo ireo volabe sy fananana very an-javona nataon'ity Karana ity nandritra ny taona maro (qui veut payer le pot cassé ?).
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.