Karama sy tambin-karama tsy voaloa

Migrevy ny polisy monisipaly ao Toamasina


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Nitokona nanomboka omaly maraina ny polisy monisipaly eo anivon'ny kaominina

ambonivohitr'i Toamasina. Fitakiana karama tambatra na «rappel » 5 volana sy tambin-karama na « indemnités » 16 volana no anton'ny hetsika, raha ny vaovao avy an-toerana. Tototry ny olana ara-bola izany kaominin’I Toamasina raha tarafina amin’io satria efa hatramin’ny tapaky ny desambra ihany koa no nanao fitokonana fanairana ny mpamonjy voina, ary nitohy ny 8 janoary teo, ka nanomezan’izy fe-potoana 72ora hamahana ny olana, handoavana ny "indemnité de risque » sy « salissure » tsy voaloa tao anatin’ny 15 volana. Efa tapitra moa ny fe-potoana fiasan’ny ben’ny tanàna ka asa izay ho fanapahan-kevitry ny mpitondra na hanao fanalavam-potoana ho an’ireo ben’ny tanàna na hanolo azy ireo ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS). Henjana ny vary mangatsiaka miandry ireo handimby raha tarafina amin’ny eto Antananarivo Renivohitra izay potika sy tototry ny fako sy ireo mitranga any Toamasina io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT